| Entry | 1 Feo mahery |
| Elementary words | 2 feo, 3 mahery |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Full text |
7 8 Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena, 9 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ... 10 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena ! 11 Kanefa aza very toky, matokia! 12 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha, 13 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy! 14 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo; 15 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny … 16 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ... 17 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana 18 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha. 19 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana! 20 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana! 21 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo! |
| Updated on 2025/11/17 |
|